SocialTatitra

Russie : Orinasa lehibe iray may

Nitohy hatramin’ny 14 Aprily teo ny famonoana ny afo tamin’ilay orinasa lehibe iray may tany Saint Pétersbourg. May ny 12 Avrily teo ity trano lehibe ity izay nanamarika ny renivohitra noho izy efa ela nisiana. Sahirana amin’ny famonoana ny afo ireo mpamonjy voina satria efa andro maromaro izay mbola tsy voafehy ny afo. Mpamonjy voina miisa 2 no nahiditra hôpitaly raha vao ny atsasakin’ny trano fotsiny no may ary mpamonjy voina iray no mbola tsy hita popoka hoy ny Ministera Russe ho an’ny tranga vonjy maika. Olona miisa 40 no vaotery nafindra toerana. Iray aloha no maty raha ny tatitra ny Talata 13 Avrily teo ary roa no nahiidtra hôpitaly. Tsy fantatra ny nihavian’ny loza raha toa ka 350 ny isan’ireo mpamono afo. Efa mahatratra hatramin’ny 10 000 metatra tora-droa ny velaran’ny afo. Enjehana amin’izao loza izao ny tale miandraikitra io toerana io noho ity trano ity tsy manaja sy tsy manaraka ny fenitra amin’ny maha orinasa azy.

Laisser un commentaire