Turquie : Melohin’ny fitsarana eo amin’ny vondrona Eoropeanina
Nomelohan’ny fitsarana misahana ny zon’olombelona eo anivon’ny vondrona Eoropeanina ny fitondrana Turquin. Nogadarin’i Turquie mantsy ny mpanao gazety sady mpanoratra, Ahmet Altan, ny volana Septambra 2016. Nambaran’i Turquie fa isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanonganam-panjakana tsy nahomby tamin’ny volana jolay 2016 izy ka nosamborina sy nogadraina. Tsy misy porofo manameloka azy anefa hoy ny mpitsara fa ny fanohitohinana sy ny fandikana ny fifanarahana Eoropenina momba ny zon’olombelona amin’ny fahalalahana maneho hevitra no misy. Voapanga higadra mandarapahafaty izy ny janoary 2018 ary vezatra hiapangana azy tamin’izany ny filazana fa mpanonganam-panjakana ny tenany saingy nofoanan’ny fitsarana mpandrava didy izany. Naverina notsaraina tamin’ny Novambra 2019 indray izy ka voaheloka higadra 10 taona sy tapany an-tranomaizina satria nolazaina indray fa mpiray tsikombakomba tamin’ny vondrona mpampihorohoro. Tondroin’ny fitsarana fa mpiray tendro tamin’i Fethullah Gülenlehiben’ny mpanohitra izay lazain’ny olona ho mpitarika iny fanonganam-panjakana tsy nahomby iny.
