Manandriana : Mikarakara fisoratam-panambadiana faobe
Azo lazaina ho mbola maro ny mpivady manao tokantranomaso ao amin’ny Kaominina Manandriana Avaradrano na ireo mivady sahady kanefa tsy vita fisoratam-panambadiana eo amin’ny fanjakana akory. Mikarakara fisoratam-panambadiana faobe arahina mariazy faobe anya m-piangonana ny kaominina Ambanivohitra Manandriana Avaradrano amin’izao fotoana izao.
« Ilaina foana ny manaraka ny lalàna sy ny fitsipika napetraka eto amin’ny fiarahamonina malagasy sy ara-panjakana, ary tena zava-dehibe izany satria sady mitondra filaminan-tsaina ho antsika sy tsy hitondra henatra eo amin’ny mpiara-belona » hoy ny ben’ny tanànan’i Manandriana.
« Sarotra ny fanaovana mariazy izany amin’izao fotoana izao, raha tsy hiresaka hafa-tsy ny vola sy ny fotoana lany amin’ny fikarakarana isika, ka tsara indrindra ny hetsika faobe tahaka izao mba hialàna amin’ny tokantrano maso, mino aho fa samy hahay hanararaotra izany isika » hoy i Fidy, mponina any Manandriana. « Antsoina isika izay liana rehetra ity fisoratam-panambadiana faobe ity ho tonga ety amin’ny kaominina satria hotanterahana ny 17 janoary 2022 izao izany » hoy ny mpitan-tsoratra eo amin’ny biraon’ny kaominina.
Ilaina tokoa ny fisoratam-panambandiana ara-panjakana mba ahafahan’ny mpivady misitraka ny zony ara-panjakana, ary indrindra ho an’ireo taranany any aoriana.
Nicole Rafalimananjara
