67Ha : Mpanendaka lavon’ny Polisy
19 Novambra, 09h00. Nahita mpanendaka nitondra zava-maranitra izay nisintona poketran’olona ny Polisy nanao fanamiana sivily manara-maso ireo jiolahy eny 67Ha. Nifanenjehana ary raha saika nanohitra ireto jiolahy tamin’ny fitaovana teny aminy dia ny an’ny polisy no tonga aloha ka izao lavon’ny bala izao. Efa malaza ratsy any an-toerana mihitsy ity tratra ity saingy mbola niriaria nanohy ny asany ihany.
