Dépêches

Madagasikara – Korea : Tanora Malagasy telo no hisidina hanohy fianarana any Korea

23 aogositra, 08h30, Tanora malagasy telo mianadahy no voasokajy hisitraka ny vatsim-pianarana GSK any Korea. Taorian’ny fifantenana nataon’ny mpikarakara ity vatsim-pianarana ity, izay tarihin’ny masoivohon’i Korea miasa eto madagasikara, izy telo mianadahy no nahazo izany ka  hisidina ho any Korea, ho an’ity taona ity. Ny fianarana ny teny koreana no hisantaran’izy ireo izany ary aharitra telo taona ny fianarana na fiofanana izay ho ratovin’izy ireo any.

Laisser un commentaire