Banque Centrale : Nisolo ny governora taorian’ny fialan’i Henri Rabarijohn.
Dépêche 05 janvier, 12h00, Noho ny antony ara-pahasalamana dia nametraka fialana ny Governoran’ny Banque Centrale Henri Rabarijohn. Nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra izany ka notendrena hisolo azy avy hatrany i Aivo Andrianarivelo. Anisan’ny olona manana ny maha izy azy ity farany ity ary manam-pahaizana ka izany indrindra no nandrena azy ho eo amin’ny toerana ambony eo amin’ny fitantanam-bolam-panjakana ity.
