Dépêches

Fanatanjahantena : Manana mpitsara lalao baolina kitra miisa 19 i Madagasikara ao amin’ny FIFA .

Dépêche 05 janvier, 11h30, Manana mpitsara lalao iraisam-pirenena miisa 19 i Madagasikara izay hitsara mandritra ny lalao rehetra amin’ity taona 2023 ity. Miandahy miam-bavy mihitsy moa izy ireo ka ny 8 tamin’izy ireo no mpitsara lehibe ary miisa 11 kosa ireo mpitsara amin’ny sisiny voasoratra anarana. Efa samy matihanina avokoa ireo mpitsara ireo izay misy efa mpitsara iraisam-pirenena nanomboka tamin’ny 2014 ary ny amin’ireo mpitsara amin’ny sisiny ihany koa efa nisy nanomboka ny taona 2010.

Laisser un commentaire