Fampianarana: Hanolotra fanampiana ho an’ny mpianatra miisa 489 any ivelany ny Fitondram-panjakana.
Dépêche 09 décembre, 14h, Nambara tamin’ny fomba ofisialy fa hanolotra vatsim-pianarana ho an’ny taona 2020-2021 amin’ny mpianatra miisa 489 ny Fitondram-panjakana. Ireo mpianatra any Tunisie, Algérie, Indonésie, Fédération de Russie, Chine, Cuba, Egypte ary Maroc no hisitraka izany tolotra izany. Sakafo sy hofantrano, fahasalamana sy saram-pianarana izao ho raisin’ny Fanjakana antanana izao mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo manam-pahaizana Malagasy ireo. Anisan’ny olnaa sedrain’ny mpianatra nanaitra ny rehetra ny tsy fahazoan’ireo mpianatra ny mari-pahaizany noho ny olana ara-bola ka izany no anisan’ny nahatonga any fanjakana nandray izao fepetra izao.
