Ambohimangakely: Hitohy ny fisoratana anarana ho an’ny fampianarana informatique
Mbola hitohy amin’ny alahady 11 Desambra izao ny fandraisana sy fisoratana anarana ho an’ireo izay liana amin’ny fampianarana ny taranja informatika, izay atolotry ny kaominina Ambohimangakely. Maro ireo nitaraina mahakasika ny fe-potoana ho an’ny fanoratana anarana tamin’izany, antony nahatonga izao fitohizan’ny fandraisana vaovao izao indray, araka ny voalaza.
“Araka ny fangatahan’ny olona maro izay tsy naharaka tamin’ny fisian’ny fampianarana ny taranja informatika teto amin’ny kaominina dia mbola tsy tara rahatoa ka manapa-kevitra dieny izao amin’ny fanoratana anarana ety amin’ny biraon’ny kaominina” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.
“Io no fandraisana farany ka hanasana ny rehetra ho tongava daholo. Natao ho an’ny rehetra ny fanarahana ny fampianarana eto amin’ny kaominina. Mety avokoa na mbola mpianatra amin’ny CEG na Lycée ,na miankina na tsia amin’ny fanjakana” hoy hatrany ireo tomponandraikitra.
Ho fanampiana ireo mpianatra moa no anton’izao hetsika izao. Nohamoraina ny fanomezana izany fampianarana izany ary azo hatrehina amin’ny fotoana rehetra.
Manitra Ramanantsoa
