France : Mpampianatra iray no namono tena teo an-tokontanim-pianarana tao Saint-Bohaire
Vehivavy mpampianatra iray 36 taona no hita faty teo an-tokontanim-pianarana ambaratonga fototra iray tao Saint-Bohaire, Loir-et-Cher ny herinandro lasa teo. Raha ny fantatra dia namono tena io mpampianatra io.
Raha ny fanazavana kosa dia vao tonga tsy ela tao amin’io tanàna misy mponina eo amin’ny 500 eo io ilay mpampianatra. Voaray niasa tao amin’ny sekoly iray ny tenany ary tokony nanomboka nampianatra ny kilasy CE2 sy CM1 izy androany 4 septambra. Tsy nahita endrika fahaketrehana ilay vehivavy hoy ny talen’ny akademika ao amin’ny National Education Services ao Loir-et-Cher, Solène Berrivin ary tsara ny fandraisana azy tao amin’ny tanàna.
Nilaza kosa ny FSU-SNUipp41 fa ny toerana sy ny fotoana nisafidianan’io mampianatra io nanao izany fihetsika izany dia heverina fa misy ifandraisany amin’ny asany.
