Ambohimanambola: Nisy ny fivoriana momba ny fisitrahana rano fisotro madio tao amin’ny fokontany Ambohipeno
Nisy ny fivoriana niarahan’ireo tomponandraikitra misahana ny Service Eau Kaominina Ambohimanambola (SEKA) sy ireo mponina ao amin’ny fokontany Ambohipeno, ny faran’ny herinandro teo. Maro ireo teboka tapaka, manodidina ny fisitrahana rano fisotro madio ho an’ireo mponina ao an-toerana, nandritra izany.
“Tanjona tamin’izao fivoriana izao ny hizara ireo vaovao mahakaiska ny fitantanana ny rano eto amin’ny SEKA. Eo ihany koa ny fandraisana ireo fitarainana sy ny soso-kevitra avy amin’ireo mponina tonga nanatrika ny fivoriana ary ny fitondrana fanazavana mahakasika ny zava-misy sy ireo fanitsiana azo atao ao anatin’ny fitantanana vonjimaika ny rano” hoy ireo tomponandraikitra misahana ny SEKA.
“Ankoatra ireo moa, anisan’ny teboka voaresaka ihany koa ny momba ireo mpisahatra ao an-toerana dia ny fanatsarana fomba fitantanana eo amin’ny mpitantana ny borne fontaine ary ny fanazavana ireo birao afaka mandray arak any filàna” hoy hatrany ny fanazavana.
Efa ela niandrasana ny firotsahana an-tsehatra momba ny resaka izao moa ireo mponina ao amin’ity fokontany ity. Ireo tomponandraikitra kosa etsy ankilany izany, dia manao ny ezaka hatrany ho fanarenana ny lesoka ara-pitantanana sy ara-teknina eo amin’izany fitantanana ny rano izay hatrany.
Manitra R.
