Fiandronan’ny rano etsy sy eroa manoloana ny toetry ny andro
Manoloana ny toetry ny andro eto Analamanga izay ratsy dia ratsy tokoa, dia feno rano tanteraka ny lalana. Tsentsina ireo lavaka fivarianan’ny rano ka mahatonga ny lalana ho tery. Mampitahotra ireo mpampiasa lalana indrindra ireo mitondra fiara sy ireny moto ireny no mijoboka anaty rano satria manahy ny fisian’ny lavaka izy ireo na dia tokony handeha aza mba tsy hisian’ny fitohanana. Anisan’ny mahatsentsina ireo lavaka fivarianan’ny rano ireo ny fako eto andrenivohitra, izay mbola tsy voafehin’ ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy. Mitaraina ireo vahoaka rehefa miakatra sy miangona ireo rano noho ny rotsak’orana. Eo akilan’izany anefa dia manary fako eny amin’ireny fivarianan-drano ireny ireo sasan-tsasany, ka mampiteraka ny rano miandrona. Ao ireo manome tsiny avy hatrany ny fitondram-panjaka ambony rehefa mitranga ireo olana maro samy hafa eo amin’ny toerana ipetrahany ireo, izay tsy avy amin’iza fa avy amin’ireo olona manary fako eo amin’ny manodidinan’azy ireo ihany. Manoloana izany olana izany anefa dia tsy mitsahatra manala ireo fako ny kaomina Antananarivo mba tsy hampiandrona be loatra ny fako. Tokony hisy hatrany ireo fanentanana ny mponina, mba tsy hanary fako etsy sy eroa ary ho fampafantarana hatrany ny olana mety ateraky ny fiparitahan’ny fako, izay antony fototra mahatonga aretina maro.
Nathalia Rasoarilala
