Fisian’ny andro ratsy manerana ireo faritra maro eto Madagasikara
Samy nahatsikaritra avokoa tao anatin’ny andro maromaro izay fa somary nanerika ny andro ary saron-drahona matevina ny lanitra tamin’ireo faritra maro teto Madagasikara ary mbola mitohy hatramin’izao. Araka ny fanambaran’ny sampana mpamatatrany toetr’andro, ny 10 jona lasa teo no nahitana tangoron-drahona matevina tao Masoala. Noho ny fitsokan’ny alizay izay nahery raha mitaha amin’ny hatrizay, nikisaka ary niparitaka nanerana ny faritra avaratra sy avaratra andrefan’ny nosy iny izany rahona mitondra orana izany. Ankoatra izay koa anefa, nahitana fikorontanana ny fitsokan’ny rivotra avy any antsinana tany amin’ny ranomasin’i Mozambique. Noho ireo rehetra ireo nitambatra, maloka tanteraka ary nomban’ny herikerika ny faritra maro eto Madagasikara. Tsy mba toy izany kosa anefa ny any amin’ny tendrony atsimo sy atsimo andrefan’ny nosy, orana mitohy tsy misy fitsaharany isam-paritra, oram-baratra mivatravatra kosa ny any Ihorombe sy any Anosy ary Androy. Tsara ny miomana hatrany na dia efa nanambara aza ny teo anivon’ny sampana mpamatatra ny toetr’andro eto Madagasikara fa mety hisava manomboka rahampitso 15 jona ny andro.
Ally Herisoananahary
