Tsidika

 Toamasina : Miaramila nanapatra fahefana

Omaly 31 Jolay hariva no nisian’ny fifandomana teo amin’ny miaramila sy olon-tsotra iray tao  Morafeno Tamatavy. Miaramila manodidina ny 12 isa eo ho eo tao anaty « Tuc tuc » no nandona mpitondra moto iray ,ary nitabataba sy nanompa ity mpitondra moto. Araka ny filazana dia mamo ireto miaramila ireto izay nanao fanamiana sivily. Raha ny fanazavana hatrany dia niainga   avy eto Antananarivo handeha  hamonjy ny ASIEF ao Toamasina izy ireo izao nandona olona izao.

« Nandona ilay moto ny Tuc tuc nitondra an’ireo miaramila ireo. Aveo anefa dia ilay olona voadona indray no notabatabain’izy ireo ary nanaovany ompa razana. Nandrahona ihany ko izy ireo fa   manana manam-pahefana afaka hiaro azy izy ireo. » Hoy ny nanatri-maso

«  Izy ireo no nandona ahy ary izy ireo indray no nitabataba sy nandrahona hoe antsoy izay antsoinareo fa tsy matahotra na iza na iza izahay fa efa eto aminareo ny Praiminisitra ary mbola ho avy koa ny Filoha. Ny ompa variraraka manginy fotsiny. » hoy ity niharam-boina.

Tezitra sy nisendoatra ihany koa ireo olona nanatri-maso vokatry ny fihetsika nataon’ireto miaramila ka niantso polisy. Tonga ara-potoana kosa ireto farany nandamina ny raharaha.

Tranga matetika hitta ny tahaka ity niseho ity eto Madagasikara. Tsy vitsy ireo manam-pahefa toy ny zandary, polisy ary miaramila no mampiasa ny fahefana eo an-tanany entina hanaovana tsindihazolena ny mpiara-belona amin’ny alalan’ny fanaovana tsindry tsy ara-drariny isan-karazany.  Ny hiaro ny vahoaka sy  ny fananany no tarigetran’izy ireny ary tokony andraisana fepetra entitra ireo izay tratra manao fanararaotam-pahefana.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire