Manandriana : Hisy ny fanaovam-baksiny ny 22 desambra izao
Ao anatin’ny ady manoloana ny fiparitahan’ny valan’aretina covid-19 hatrany isika izao. Mitohy ny fanaovam-baksiny ao amin’ny kaominina Manandriana.
« Hisy ny fanaovam-bakisny ho an’ny mponina eto Manandriana ny 22 desambra ho avy izao ao amin’ny CSB izay hanasana ny rehetra izany saingy kosa tsy an-tery » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana. « Hatreto aloha dia mbola tsy resy lahatra amin’ny fanaovam-baksiny aho fa rehefa mazoto ve tsy hanantona eny ihany » hoy i Clarisse, mponina ao Manandriana. « Efa iaraha-mahita izao aretina tena miparitaka izao. Ny fanaovam-baksiny no hany vahaolana ka samia mandray andraikitra ho an’ny fahasalamany » hoy ny mpitsabo iray ao amin’ny CSB II. Niakatra tokoa ny isan’ireo marary amin’izao, hampiakatra ny tahan’ny fanaovam-baksiny ve izany ?
Nicole Rafalimananjara
