Maurice: Mihena tsikelikeky ny fampiasana plastika tsy azo averina ampiasaina
Efa an-taonany maro ny nosy Maurice no nanao fanentanana manoloana ny famerana ny fampiasana plastika. Amin’izao fotoana dia mihena tsikelikeky izany manoloana ny tetik’asa natomboka ny volana janoary 2021 izay mandrara ny fampiasana vokatra 10 vita amin’ny plastika ao amin’ny nosy. Isan’izany ny fitaovam-pihinanana, harona ary fonon-tsakafo vita amin’ny plastika.
Mamokatra fako 540 000 taonina isan-taona i Maurice ary ny 14% amin’izany dia plastika avokoa raha ny tatitry ny minisitry ny tontolo iainana, ny fitantanana ny fako sy ny fiovan’ny toetry ny andro ao an-toerana, Kavy Ramano. Nanamafy ny tenany fa mitohy ny ady amin’ny fampiasana izany ary efa miroso amin’ny fanodinana ihany koa ny nosy.
Isany orinasa misahana ny fanodinana fako plastika ao an-toerana ny DKD izay manodina fako plastika 42 taonina isam-bolana raha ny tatitry ny mpitantana azy, Herwin Coret.
