ActualitésTatitra

Irak : Fanadihadiana nataon’ny Nations Unies mikasika fandripahana ny foko Yézidis nataon’ny « Etat Islamique »

Ny fanadihadiana nataon’ny ONU momba ny fanaovana heloka be vava nataon’ny fikambanan’ny Etat Islamique (EI) tao Irak no nanamarina ny fandripahana « ireo olona vitsy an’isa » yézidie. Efa nahazo porofo mazava sy maharesy lahatra mikasika ity fandripahana olona ity ireo mpanao fandihadiana matihanina avy ao amin’ny ONU araka ny nambaran’ny filoha mpitarika ireo mpanao fanadihadihana, Karim Khan. Tao aorian’ny nakan’ny « Etat Islamique » an’i Mossoul ny faran’ny volana jona 2014, ampijaliana sy vonoina ireo lelilahy, ary andevozina hanamparana ny filàna ara-nofo ireo vehivavy yézidie ao amin’ny faritr’i Sinjar, ao avaratry Irak. Ny fanadihadihana natao no nahafantarana tompon’antoka amin’ity fandripahana olona miisa 1 444 ity, ka ny 18 amin’izy tompon’andraikitra ambony ao amin’ny fitondrana. Nilaza ihany koa ilay filoha mpitarika ny mpanao fanadihadiana fa mbola misy vehivavy miisa 2 800 voatazon’ity « Etat Islamique » ireto hatram’izao.

Laisser un commentaire