ActualitésTsidika

11 may : Andro iraisam-pirenena ho an’ny zava-boahary tandindomin-doza

Harena ho an’ny firenena iray ny fananana zava-boahary tsy hita raha tsy ao aminy, ohatra amin’izany ny ravinala sy ny varika ary fosa raha ho an’ny eto Madagasikara manokana. Androany 11 may tokoa mantsy no andro natokan’izao tontolo izao ho an’ireo zava-boahary izay tandindomin-doza. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Vondrona Iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana ny natiora (IUCN), karazan-javamaniry sy biby mihoatra ny 20 000 no atahorana ho lany tamingana isan-taona. Anjarantsika zava-manan’aina manana saina afaka hanampy sy hisoroka amin’ny fahandringanan’ny karazana iray ny miaro azy ireny. Isika no afaka manantsara ny toeram-ponenany sy ny manodidina mba ho lavitry ny loza izy ireny. Na harena ambonin’ny tany na anaty ranomasina na eny amin’ny habakabaka, sahia miaro azy ireny ary mila hatsahatra ny fanimbana ny manodidina azy. Mifameno ny zava-boahary rehetra, na ny olombelona na ny biby na ny zava-maniry. Harena ny fananana izany. Ilaintsika sy ho an’ny taranantsika ny manajanona ny fahazaran-dratsy amin’ny hetsika izay mety handringana azy ireny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire