Seychelles : Mihamafy ny tsy fahampian-drano
Manomboka mahazo bahana ny tsy fahampian-drano ao amin’ny nosy Seychelles. Miharitra ihany koa ny rano any amin’ny renirano sy any amin’ireo « retenue collinaire ». Manoloana ny tranga dia hanamafy ny fepetra fitsitsiana ny rano ireo tompon’andraikitra.
Ao amin’i Mahé sy Praslin izay nosy roa be mponina indrindra ao Seychelles dia maina ny paompy manomboka amin’ny 10 ora maraina hatramin’ny 4 ora hariva ary amin’ny 10 ora alina hatramin’ny 5 maraina. Tanàna roa ao amin’ny renivohitra Victoria ihany no tsy sedra izany noho ny mbola fahampian’ny tahiry.
Hatreto kosa mitsitsy ary mampiasa ny rano araka ny tokony ho izy no vahaolana hitan’ireo tompon’andraikitra. Tsy azo atao ny manasa fiara sy manondraka zaridaina avy amin’ny rano ny paompy. Raha tsiahivina dia tojo io tranga io ihany koa i Mayotte ary anton’izany ny tsy fahampian’ny orana.
