ActualitésTsidika

CEPE Avaradrano : Nozaraina sakafo sy vatsy ireo mpianatra

Nizotra am-pilaminana ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana voalohany, CEPE, omaly teny amin’ireo kaominina ao anatin’ny distrika Avaradrano. Saika tonga teny amin’ireo “centre” nanatanterahana ny fanadinana ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina, nitondra sy nanolotra sakafo ireo mpianatra mpanala fanadinana.

“Efa fanao isan-taona ny hetsika fizarana sy fanohanana ara-tsakafo ireo ankizy miatrika ny fanadinana CEPE. Nanomboka ny taona 2016 teo izany. Ny kaominina iray manontolo no mikarakara sy mizara izany ny mpianatra” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Anjeva.

“Hisaorana indrindra ireo tomponandraikitra amin’ny ezaka izay ataon’izy ireo satria tena manampy betsaka ireo ray aman-dreny sy ny mpianatra ny hetsika tahaka izao. Faly ireo mpianatra ary afaka niatrika soa aman-tsara ny fanadinana rehefa tsara fanohanana ara-tsakafo” hoy i Odile, ray aman-drenin’ny mpianatra.

Ankoatra ny fizarana sakafo ity moa dia nisy ihany koa ny fanohanana tamin’ny fizarana vatsy toy ny sôkôla sy ny bisikoitra ho an’ny kaominina sasany. Marihina moa fa hivaly manomboka amin’ny faran’ity herinandro ity ny fanadinanana izany  ho an’ireo tobim-panadinana sasany.

Manitra R.

Laisser un commentaire