Nahazo fitoeram-pako 120 ny Commune Urbaine Antananarivo
Tafiditra ao anatin’ny fikajiana ny fampandrosoana ifotony ankoatra ny fahasalamana ny fanadiovana ny tanàna. Efa nisitraka ny fanomezana fiarabe mpitondra fako avy amin’ny fitondram-panjakana ny distrikan’Avaradrano sy ny Kaominina Ivato herinandro maro lasa izay. Nahazo ny anjarany tamin’izany fitaovana hanadiovana izany ihany koa ny CUA.
Ao anatin’ny fandaharan’asan’ny firenena mikambana mikasika ny fampandrosoana ny tanàna no nanolorana fitoeram-paka 120 ho an’ny kaominana Antananarivo renivohitra. Araka ny nambaran’izy ireo, natao izao mba ho fanampiana sy fanamafisana ny fanadiovana ny tanàna eto andrenivohitra fa ihany koa hisorohana ny fiparitahan’ny aretina vokatr’ireo fako etsy sy eroa. Ireo mponina eto andrenivohitra izay efa mimenomenona ny amin’ny fahalotoan’ny tanàna sy fiparitahan’ny fako fa indrindra ihany koa ny fahatsetseman’ny tatatra amin’ireo plastika sy poti-javatra isan-karazany.
Tsy tonga saina anefa ireo vahoaka fa miankina betsaka aminy ihany koa ny fahadiovan’ny tanàna onenan’izy ireo amin’ny fanangonana ireo fako fa tsy atsipy eny rehetra eny. Samy tompon’andraikitra avokoa na ny fanjakana na ny vahoaka ka samy tokony handray ny andraikiny avy.
Ally Herisoananahary
