George Bernard Shaw : Mila manana fahasahiana raha te ho tafita
Misy ny olona tia mandalina sy miheritreritra amin’izao vanim-potoana iainanatsika izao ; ary misy koa ireo miaina any fa ho any fotsiny. Amin’ny alalan’ny fihetsik’izy ireo sy ny zavatra ataony no ahafantarana izany. Samy ahitana vokatra avokoa anefa ireo karazan’olona roa ireo, fa misy ny tsara, ary misy ny ratsy. Misy vokatra azo aorian’ny fisainana, ary izany indrindra no ateraky ny fandinihana sy fandalinana.
Andaniny, ireo olona mieritreritra raha ny tokony ho izy, misaina sy mamakafaka raha ny tokony ho izy no noheverina eto fa olona miaina any fa ho any fotsiny. Tsy manakatra hafa tsy ny hita sy tsapa ihany. Tsy mijery hafa tsy izay faran’ny tazana ihany amin’ny ankapobeny. Ny endrika ivelany ihany noho izany no tena hifantohan’izy ireo.
Ankilany, ireo olona tsy dia mametraka hevitra na fisainana be loatra amin’ny zavatra hita ety ivelany anefa, ireny no antsoina hoe olona tsy be ahiahy sy tsy mora rebirebena. Manao zavatra tsy am-pisainana, izay no tena mahalaza azy ireo. Nataony tsy am-piheverana avokoa ireo zavatra izay nataony rehetra, tsy nisy ahiahy, tsy nisy fisalasalana fa mandeha anjambany fotsiny hoy ny fitenintsika Malagasy izay. Azo lazaina ho olona adala sy tsy miheritreritra anefa izy ireo amin’ny ankapobeny rah any fitondran-tena manokana no jerena. Kanefa, izany indrindra no ilaina sy tokony hananana fahasahiana raha te ho lasa lavitra amin’ity fiainana ity, indrindra raha te ho tafita eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana.
« Nanao vente en ligne aho izao tamin’ilay confinement ireny ary tsy niheritreritra ny ho lasa lavitra mihitsy aho fa nandeha anjambany fotsiny. Vokatra azoko taty aoriana anefa, lasa nanana tranom-barotra lehibe iray mihitsy aho ary tena miroborobo izany amin’izao fotoana izao » hoy i Mihaja, tanora misehatra eo amin’ny fandraharahana. « Izany koa ve dia hitombona e ? Olona tsy misaina sy tsy miheritreritra indray ve no ho tafita sy hiankinan’ny tanjona bebe kokoa noho ny olona tena misaina sy mamakafaka zavatra iray » hoy kosa i Lova, tanora.
Manamarina mazava izany hevitra izany anefa i George Bernard Shaw raha efa avy nisedra zavatra maro ka nilaza hoe : « ny olona miheritreritra dia mifandray amin’izao tontolo izao. Ny olona manao zavatra tsy am-piheverana dia miziriziry amin’ny fiezahana hampifanaraka an’izao tontolo izao aminy. Ny fahombiazana rehetra dia miankina amin’ny olona misaina tsy am-piheverana noho izany ». Izay sahy ihany no tafita, ireo izay kanosa kosa dia hijanona halemy eo foana fa tsy mba hivoatra mihitsy. Alao hery noho izany ireo teny ireo fa mety ahalasa lavitra anao.
Mila manana toe-tsaina tsy be ahiahy sy tsy mora voarebireby ny olona iray vao tafita. Ary izany indrindra anefa no ilaina raha ny eo amin’ny sehatry ny fandraharahana manokana no jerena. Saingy, fisainana tsy am-piheverana manao ahoana no tokony tena hananana ? Moa tsy hisy hisaina toy ny adala indray ve ka vao maika hirosoany mankany amin’ny fahaverezana izany ?
Miangaly Rasoamihajamanana
