ConseilTsidika

Mark Twain : Rehefa tsy fantatra hoe tsy ho vita dia lasa vita ilay izy

Marina fa voajanahary amin’ny olombelona ny fananana hevitra, ary miankina amin’izany ny hoaviny iray manontolo. Ny fananana hevitra noho izany no lalana mankany amin’ny fahombiazana voalohany indrindra. Ny fivoarana, ny fireharehana ny amin’ny zava-bita, ny hasambarana fa nahavita na nahavoasedra zavatra goavana, izany no tsapa sy hiainana rehefa avy nampiasa ny hevitrao ianao. Ny hevitra no fitaovana voalohany indrindra enti-manatanteraka ny antsoina hoe fahombiazana.

Amin’izao vaninandro iainantsika izao, maro ny diso miheritreritra loatra. Betsaka ihany koa ny feno fisalasalana loatra ka tsy mahavita na inona na inona akory fa lany fotoana fotsiny. Saingy tsy vitsy an’isa ihany koa anefa ireo izay tsy mametraka ny fisainana ho laharam-pahamehana fa ny fanatanterahana azy no ataony vaindohan-draharaha. Vao vantany misy hevitra tonga ao an-tsaina dia manatanteraka avy hatrany. Tsy miandriandry, tsy misaina lalina izay mety ho vokatr’izany fa atao foana aloha. Izany toe-tsaina izany indrindra no tokony hananan’ny rehetra raha te hahomby sy ho tafita eo amin’ny fiainana, indrindra eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Hevero ary diniho kely anie ny hasambarana mety ho azonao raha tanteraka ny zavatra nokasainao natao e ! Hasambarana toy ny ahoana no hiainanao ? Hafaliana manao ahoana no ho tonga ao anatinao ? Mety hiteny ihany koa ianao amin’izay fotoana izay hoe :  » tsy nampoiziko hoe izaho mihitsy no nahavita zavatra tsara sy goavana toy izao « . Mety mahavery arak’izany ny fiheritreretana lalina loatra ka ialao ary fadio raha azo atao.

« Tia manao sary be aho hatramin’ny fahakeliko ka hatramin’izao. Nisy fotoana anefa nisy hetsika fampirantiana sary dia mba nalefako teny fotsiny ny ahy. Izaho aho lasa mpisehatra eo amin’ny kanto, ary lasa tena olo-malaza tanteraka ny amin’ny talenta fanaovana sary » hoy i Hervé, mpanao sary tanana. « Misy dikany ny Ntaolo taloha matoa niteny hoe misaina aloha vao amanao zavatra. Ary zavatra ratsy foana matetika no ateraky ny tsy fisainana. Tsy marina velively noho izany ilay hoe ireo manao zavatra tsy am-pisainana ihany no tena ho tafita sy hahomby eo amin’ny fiainana » hoy kosa i Gérard, tanora mpianatra.

Araka ny sedra maro nolalovan’i Mark Twain sy ny traikefa efa nananany, nanambara izao teny manaraka izao izy « tsy fantany hoe tsy ho vitany izany, ka nataony ». Mafonja dia mafonja izany teny izany raha dinihina lalina ka mahatonga saina tanteraka. Aza diso be fanahiana loatra noho izany fa sahia manova zavatra, sahia manao zavatra fa tsy maintsy hahomby sy ho tafita ianao ny farany.

Tokony esorina lavitra ny saina izany toe-tsaina be ahiahy sy mora rebirebena izany raha te handroso aingana. Kanefa sarotra amintsika olombelona izany noho izy efa voajanahary ao anaty ka tsy afaka hialana. Raha izay ary, ny zava-drehetra mihitsy ve no tokony tsy atao am-piheverana ? Tena mety hampandroso tokoa ve izany ireo zava-drehetra tsy atao am-piheverana ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire