Nahazo herinaratra ny tao Ambovomby
Nisitraka herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny mponina tao amin’ny kaominina Ambovomby Bealanana izay manana fokontany miisa valo. Ny fambolena sy fiompiana no tena fiveloman’ny olona ao an-toerana ary mbola milamina aloha hatreto ny fiarahamonina ka vao maika hilamina hatrany amin’izao herinaratra izao.
« Manana vokatra maro izahay ato toy ny vary sy ny voatabia sy ny tsaramaso ka milamindamina izahay ato satria tsy dia misy resaka dahalo fa kosa ny hazavana no olana kely teo aloha » hoy i Rabe Narisoa, mponina ao an-toerana. « Tsy mampino hoe i Ambovomby lavitry ny hazavana taloha dia nisy jiro mazava amin’izao ka lasa deraderanay mihitsy izany » hoy ny ben’ny tanàna any an-toerana.
« Manampy betsaka ny mponina eo amin’ny lafin’ny toe-karena ny herinaratra mba ahafahany mampidi-bola ho an’ny tokatrano hany ka ravoravo ny rehetra » hoy ny solombavambahoaka voafidy tao Bealanana, Volahaingo Marie Thérèse. Ny « Patrenariat Public Privé » na ny 3P no nanampy tosika nahafahana nametraka izao herinaratra izao.
Miroso hatrany ny fitadiavana vahaolana mba hisitrahan’ny rehetra izao jiro manazava amin’ny herin’ny masoandro izao. Ny fampiasana ny angovo azo havaozina rahateo dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Nicole Rafalimananjara
