ActualitésTsidika

Efa hifarana ihany koa ny fanamboarana kianja ao Antsiranana

Rehefa avy nijery ny kianja tao Morondava, nitokana ny kianja Ambohidratrimo dia tonga tao Antsiranana indray ny minisitry ny fanatanjahantena Tinoka Roberto sy ny mpiara miasa aminy. “Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny velirano faha 13” hoy izy ary nanamafy izy fa tsy hisy ny faritra adino ao anatin’izany.

Mandroso ny asa ary efa 81% no vita hatreto araka ireo mpanatanteraka izany. Ho tonga tsy ho ela ihany koa ny seza hamenoana ny kianja toy ny ao Bariakadimy Toamasina hoy izy ireo hatrany. Tahaka ny kianja manara-penitra rehetra moa dia mazava hatramin’ny 6 000 ihany koa ny kianja ao Antsiranana. Raha ny hita aloha hatreto dia toa ny velirano faha 13 no tena himatimatesan’ny filoha.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire