Famatsiana herinaratra ho an’ny mponina ao Androy
Mponina mihoatra ny 150 000 no afaka nisitraka ny famatsiana herinaratra ao amin’ny faritra Androy. Fiaraha-miasa eo amin’ny fandarana ny fandrindrana ny fampandrosoana, ny sehatra tsy miankina sy ny asa ao amin’ny ministeran’ny toe-karena sy ny vola, miaraka amin’ny ministeran’ny Angovo sy ny fandaharana ADER no nahafahafana nanatanteraka izany.
Nanambara izy ireo fa « ny PNUD (Programme des Nations Unies pour le développement) dia nanohana ny ADER tamin’ny fametrahana ireo foibe famokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro sy toerana fanampariahana herinaratra ho an’ny tanàn’ny Andalatanosy (40kWc), Antanimora Atsimo (83kWc), Ambahita (20kWc), Bekitro (62,4kWc) ary Tranoroa (60kWc) ireo ». Eo ihany koa ny Fokontany de Soamanitra (40kWc).
Izany rehetra izany dia natao mba hanatsarana ny fiainan’ny mponina sy ny hahafahany mamorona asa mba hidiram-bola ho azy hoy izy ireo hatrany. Nampihetsi-po ny mponina tany an-toerana izao famatsiana herinaratra ho azy ireo izao.
Hasina Rasamimanana
