Fampirantiana ireo sanganasan’i Dina Rabearivelo sy R-Dolph ao amin’ny La City Ivandry
Misokatra indray ny toerana natokana ho an’ny hetsika ara-kolontsaina ao amin’ny toeranam-pivarotana lehibe La City Ivandry. « Fampiranitana hosodoko no hanamarihana ity fisokafany ity indray » hoy ny tompon’andraikitra ao an-toerana. Raha tsiahivina dia nihidy nandritra ny herinandro maromaro izany noho ny fepetra ahamehana ara-pahasalamana.
Nanamboka ny 5 jolay ny fampiratiana ny hosodokon’i Dina Rabearivelo sy R-Dolph Mada izay hiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ary aharitra hatramin’ny 18 Jolay. « Mpanao zava-kanto manana haingam-panahy hafa mihitsy ireto nosafidiana ireto » araka ny nambaran’ny mpikarakara. « Anisan’nyy mpanao hosodoko efa fantatra ny maro tokoa izy roa lahy ireto ary miavaka raha hoarina amin’ny hafa » hoy ny mpitsidika iray. Mampiavaka an’i Dina Rabearivelo manokana ny fampiasany gazety amin’ny asa ataony. Ny an’i R-Dolph kosa dia ny ravin’akondro no fampiasany.
Hasina Rasamimanana
