ActualitésTatitra

Maurice : Dingana fahatelo fialàna amin’ny fihibohana any Albion

Miditra tanteraka amin’ny dingana fahatelo amin’ny fialàna amin’ny fihobohana ankehitriny ny Albion. Ny faran’ny herinandro teo no faran’ny harinandro voalohany taorian’izany fidirana tamin’ny dingana fahatelo izany.Tsy dia nisy olona anefa teny amoron-tsiraka teny rah any tany Albion. Saingy hita teny amin’ireo olona vitsy hita teny amoron-tsiraka ny hafaliana ny amin’ny fahitana ny ranomasina indray sy ny fandehanana eny amin’ny tora-pasika. Tsy midika anefa akory izany hoe faona ny aretina fa mbola manentana eny ihany ny polisy ny mba hanajana ny fitsipika ara-pahasalamana hatrany.

Laisser un commentaire