Etats-Unis : Olona iray maty, 21 naratra mafy nandritra ny diabe nataon’ireo mpandresy tao Kansas City
Olona iray namoy ny, 21 hafa kosa no naratra mafy vokatry ny bala, taorian’ny fitifirana niseho tao Kansas City, any Etazonia, ny alarobia 14 febroary teo. Nandritra ny diabe, noho ny fankalazana ny fandresen’ireo ekipan’ny Chiefs tamin’ny Super Bowl no nisehoan’izany. Olona miisa valo tamin’ireo voatifitra no nahiana mafy ny ainy, saingy avotra soa aman-tsara izy ireo taorian’ny nitondrana azy tany amin’ny toeram-pitsaboana. Taorian’ny nitrangan’ity loza ity, nanao fanadihadiana ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, ka olona telo no voasambotra avy hatrany, nisy ihany koa basy tratra niaraka tamin’izy ireo.
