Alasora: Tovolahy iray tratra nangalatra aroloha
Tovolahy iray no tratran’ny polisy tamin’ny asa ratsiny, teny amin’ny faritra Bypass, kaominina Alasora, taminlny talata tolakandro. Irony aroloha na casque an’ny mpitondra tongodroa mipetraka amin’ny sisin-dalana irony no nalain’ity farany, araka ny voalaza.
« Aro loha nipetraka teo ivelanlny kianja filalaovana baolina kitra no nalain’ity tovolahy ity. Rehefa avy naka izany anefa izy dia vaky nandositra ka nanaovana fikarohana. Noho ny fiaraha-miasan’ny tompon’ny zavatra very sy ny fampiasana ny camera de surveillance teo amin’ny manodidina, dia tratra ny andron’io ihany ity tovololahy ity » hoy ny avy amin’ny kaomisarian’ny polisy Alasora.
« Maro ny tranga miseho tahak’izao amin’izao fotoana. Mila mailo sy mitandrina hatrany rehefa eny an-dalana eny fa efa tsy mifidy toerana ary tsy mifidy hangalarany intsony ireo olona ratsy sy tia kely » hoy i Ony, mponina ao Alasora..
Nanaovana fanadihadiana moa ity lehilahy ity ary nahiditra am-ponja avy hatrany. Etsy ankilan’izany, Manao fanentanana ny rehetra hatrany ireo mpitandro filaminana mba hiara hiasa amin’izy ireo raha misy ny tranga hafahafa eny amin’ny fiaraha-monina eny. Ny kaomisarian’ny polisy moa dia afaka antsoina amin’ny laharana 0340553108 sy ny 0340751719.
