Mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana indrindra any anaty fiara fitateram-bahoaka
Manomboka masiaka ny Covid-19 eto Madagasikara ka tsy azo anaovana sangisangy intsony ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra. Tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny vahoaka amin’ny fanajana ireny ny mpitandro filamianana ka miezaka manao fisafoana manara-maso ny fanarahana ny fepetra indrindra amin’ireny fiara fitateram-bahoaka ireny. Arahin’izy ireo maso avokoa na ny mpamily na ny mpanmpy ny mpamily na ny mpandeha na ny fihetsika rehetra anaty fiara. Efa nambaran’ny filoha nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony mikasika ny fepetra hiarovana amin’ity aretina ity fa tsy azo ampiasaina ny seza volamena amin’ireny fiara fitateram-bahoaka ireny. Betsaka ireo mbola tsy manaja ny lamina napetraka fa entin’ilay hoe sitrany ahay. Mpiasa mpanampy ny mpamily miisa efatra be izao no tratra ny polisy tsy nanaja ny fepetra hany ka nanao asa ho an’ny tombontsoa iombonana amin’ny fanalana bozaka. Izy ireo aloha no tratra ka anatra ho an’ireo Resevera namany izao. Natao ho an’ny olona rehetra ireny fepetra ireny ka tsy nanavahana saranga. Mbola nanambara aza ny avy amin’ny Polisim-pirenena Malagasy fa ny mpandeha izay manaiky hipetraka amin’ny seza volamena dia ho saziana ihany koa. Misy antony daholo matoa napetraka ny fepetra ary natao ho arahana izy ireny. Koa samia sarotiny amin’ny fahasalamany fa ny fanarahana ny lamina dia isan’ireo fiaroavana amin’ny aretina. Tsy ny eto Madagasikara ireny no mametraka fepetra toy izany, ny any Maorisy aza migadra hatramin’ny dimy taona mihitsy izay tratra tsy manao aro vava. Koa mba tsy hitaran’ny fepetra, hajao aloha izay efa napetraka fa mahasoa antsika matoa natao.
Nicole Rafalimananjara
