SocialTsidika

Aoka ho izay mamim-bahoaka ihany no hitondra

Saika niteraka hetsika goavana tany Nosy Be ilay fanesoarana ny Ben’ny tanàna am-perin’asa tamin’ny toerany. i Vita Gilbert izay lanim-bahoaka avy amin’ny vondrona IRK niasa nandritra ny herintaona nefa notorian’ilay kandidà teo amin’ny filaharana fahatelo nahazo isam-bato 5%. Nampiatoan’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fitsarana ilay didy nivoaka ny 30 Martsa avy amin’ny Filan-kevi-panjakana izay milaza fa ilay Kandida nahazo 5% no lany izay tsy nankasitrahan’ny vahoakan’i Nosy Be sy ny fanjakana foibe satria misy ambadika tsy fantatra izay hirosoana ny fanadihadiana lalina. Noho izany dia voatazona amin’ny toerany ny Ben’ny Tanàna lanimbahoaka Vita Gilbert izay efa amperinasa, izy no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna 2019 ary nanomboka ny taona 2020 izy no nandray ny asany. Alahelo toerana ve no nahatonga izany ka te hisopatra fotsiny izao sa manana ny rariny tokoa izy ? Ifandrohitana ny toerana kanefa ny tanana mila fampandrosoana haingana, hitondra lavitra ny firenena ve ny ohatr’izany ? Izao tafaverina amin’ny toerany ihany i Vita Gilbert, izay efa atsasany aman’ila ny vahoaka no nifidy azy. Aleo izay tian’ny ankamaroan’ny vahoaka hitondra azy ihany no eo amin’ny toerana e. Rehefa tsy naharesy aloha dia mahay manaiky fa tsy hanakorotana ny filmainam-bahoaka indray.

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire