Sabotsy Namehana: Nasiam-panavaozana ny biraon’ny kaominina sy ny tobi-pahasalamana CSBII
Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina Sabotsy Namehana sy ny PMU-Bet, tamin’ny alalan’ny 3P na ny Partenariat Public Privé. Vokatr’izany, nisy ny fanatsarana ny biraon’ny kaominina sy ny tobi-pahasalamana ao an-toerana, araka ny voalaza.
“Nisy ny fanomezana ordinateur complet miisa roa, fandokoana ny biraon’ny kaominina, fandokoana ny tobi-pahasalamana ary fiahiana ny lalao baolina kitra latsaky ny 18taona. Izany dia mariky ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Ilaina hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny hafa mba hisian’ny fampandrosoana. Mila jerena ihany koa anefa ao anatin’izany ny mahasoa ny rehetra mba tsy ahasimba sy hitandrovana ny fiaraha-monina hatrany” hoy i Miora, mponina ao Sabotsy Namehana.
Manao ezaka hatrany ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina amin’ny fanatsarana sy fampivoarana ny kaominina, taratr’izany ireo zava-bita sy fanatsarana ao an-toerana.
Manitra R.
