Anatihazo Isotry : Mpanendaka roa voasambotra
Mihezaka hatrany amin’ny fampanjakana ny fandriam-pahalemana ireo mpitandro ny filaminana. Tovolahy roa izay voalaza fa mpanendaka sy mpanao sinto-mahery eny Andavamamba sy ny manodidina no voasambotry ny polisy nanao fanamiana sivily teny Anatihazo Isotry ny alakamisy maraina teo. Efa hatramin’ny 23 martsa alina izy ireo no fantatra fa nohenjehina tany an-tranony saingy tsy tratra raha tsy io marain’ny 24 marsta io. Sahirana ny vahoaka hoy ny raim-pianakaviana nanatrimaso ny fisamboarana azy ireo ka lasa manaonao foana hatramin’ny tanora vao herotrerony.
Hasina Rasamimanana
