ActualitésTsidika

Zandarimaria : Misokatra ny fifaninanana ho mpianatra ho zandary andiany faha-77

Niantso ireo lehilahy sy vehivavy teratany Malagasy maniry handray anjara amin’ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho zandary andiany faha 77 ny tompon’andraikitr’izany. Mari-pahaizana Bakalorea no ho mihoatra na mitovy lenta, lehilahy 20 hatramin’ny 30 taona maherin’ny 1,68 metatra na vehivavy 20 hatramin’ny 28 taona maherin’ny 1,63 metatra ary miaramila 20 hatramin’ny 34 taona no afaka mandray anjara amin’izany.

Efa nanomboka 23 martsa teo kosa ny fametrahana atonta-taratasy ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 13 mey 2022 izao izany. Ny 02 sy 03 jolay kosa no fifaninanana dingana voalohany. Eny amin’ny Tobim-paritry ny Zandarimaria akaiky ny tsirairay dia misy peta-drindrina misy ny antsipirihan’izany fifaninanana izany.

Nitaky ny fangaharahan’ny fifaninana kosa ny tompon’andrikitra. Fadio ny kolikoly sy ny fisehoana mahafantatra olona ambony, tsy misy olona na iray aza afaka hampiditra olona ao anivon’ny Zandarimaria fa ny fahaizana sy ny fahamendrehana ihany no hahatontosa izany hoy izy ireo.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire