Ambatolampy Tsimahafotsy : Mitohy ny fanamboarana ny lalana rarivato
Nitsidika ny lalana rarivato atao ao Ambatolampy Tsimahafotsy ny Governoran’ny faritra Analamanga. Mbola mitohy ny fanamboarana sy ny fanatsarana atao amin’ny lalana.
« Ny lalana rarivato tetsy Ambatolampy Tsimahafotsy indray no notsidihina tamin’ireo asa sahanin’ny faritra Analamanga. Misy ny mbola ho amboarina sy mila ahitsy na dia efa ampiasain’ny olona aza ity lalana ity » hoy ny Governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. « Tsy atao sakana amin’ny fanamboarana ny lalana ny fampiasana sahady ity lalana ity. Mila mitandrina tsara ihany anefa ny mpandeha sy ny mpampiasa lalana na izany aza. Fotodrafitr’asa mafy sy maharitra mantsy no tena ilaintsika » hoy ieo teknisianina mpanao azy.
Antoka iray mampandroso ny tanàna tokoa ny fahatsaran’ny lalana noho izy mikasika mivantana ny vahoaka eny ifotony. Miezaka hatrany ireo mpitondra manangana foto-drafitr’asa tsara ho antsika ary adidintsika ny mikolokolo azy ireny.
Herimalala Ratsimbazafy
