ActualitésTsidika

Masindray: Ny fandaharam-potoana amin’ny fanazara-tena mandritra ity herinandro ity ho an’ny Buffalo

Taorian’ny fiatrehana ny andro voalohany tamin’ny fifaninana Challenge U17 orange UCEF ny klioban’ny Buffalo avy ao Masindray, mitohy ny fanazara-tena sy ny fanomanana ireo lalao isan-karazany amin’izao fotoana izao. Manomboka androany, alarobia 19 ny volana oktobra araka ny voalaza dia efa hisy sahady ny fanazara-tena ho an’ny mpilalao.

“Ny Alarobia 19 oktobra, hisy ny fanazara-tena izay hatao eo amin’ny kianja Ambohijanaka, manomboka amin’ny 02ora tolakandro ho an’ny u8/10/13/15/u17 challenge Orange. Eny amin’ny kianja Masindray kosa ny an’ny u10/u13. Ny zoma 21 oktobra kosa ny lalao ara-pilahalahiana atao eny Masindray ihany, izay hifandonan’ny klioban’ny Buffalo sy Kintana Akademy” hoy ireo tomponandraikitra.

“Hitohy ny sabotsy ny fanazara-tena, izay hanomboka amin’ny 08 ora maraina, eny amin’ny terrain Ambohijanaka ho an’ny u8/10/13/15/u17 challenge Orange. Eny amin’ny kianja Masindray kosa ny fanazara-tena an’ny u10/u13, amin’ny 08ora maraina, ary ny tolak’andro amin’ny 02 ora kosa ny an’ny u15/u17/u20. Ny ahahady moa no hanantanterahana ny lalao andro faharoa amin’ny Challenge U17 orange” hoy hatrany ireo tomponandraikitra.

Anisan’ny miezaka avokoa na ireo mpilalao na ireo mpanazatra sy tomponandraikitra ao anatin’ny klioba mba hananana vokatra tsara mandritra ny lalao isan-karazany. Ireo ekipa mpilalao moa dia efa vonona hatrany amin’ny mety ho sedra isan-karazany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire