Manandriana: Mitohy hatrany ny firahalahian’ireo ben’ny tanàna
Miseho amin’ny endriny maro ny fanehoam-pirasainkinan’ireo ben’ny tanàna eto Avaradrano. Tonga nitsidika ny ben’ny tanànan’i Manandriana ireo ben’ny tanànan’Avardarano noho ny tsy fahasalamana nahazo azy.
« Tanan-kavia sy havanana, izay didi-marary » hoy ny ohabolana Malagasy. « Mahay miray hina mihitsy ireo ben’ny tanàna eto Avaradrano ireo. Tombony lehibe izany ho an’ny tanàna mba hizorana any amin’ny tena fandrosoana marina » hoy i Lanto, mponina ao Ambohimangakely. « Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firaisan-kina. Miara-miainga dia miara-tafita isika. Tsy hisy intsony ny ratsy raha mahay miara-mientana ny mpitondra isan-tsokajiny » hoy i Haja, manam-pahaizana mikasika ny fampandrosoana lovain-jafy.
Mitohy hatrany ny firalahian’ireo ben’ny tanàna. Tena mahavelom-bolo ny mponina tokoa ny maheno izany. Miainga amin’ny mpitondra tokoa ny firaisan-kina ary mitohy hatrany amin’ny vahoaka isan-tsokajiny.
Nicole Rafalimananjara
