Ambohimanambola : Betsaka ny vary matin’ny rano
Niakatra be ny rano tao anatin’ny herinandro vitsy izao, izay niteraka ny fahafatesan’ny vary manodidina ny 10 000 ha tao Andranomanga, Ampano, Antodiana, Antanetilava, Morarano. Mbola tafiditra ao amin’ny kaominina Ambohimanambola ireto faritra dibo-drano irteo.
« Tena mampalahelo ny tantsaha mpamboly aty amin’ny kaominina. Tsy fantatra intsony izay hohanina aorian’izao. Ny vidim-bary etsy an-kilany mamely ihany » hoy i Tsiry, mponina ao Ambohimanambola. « Mila fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana ny tantsaha. Tsy ny tantsaha irery ihany koa no hizaka ny vokan’izao fa isika rehetra. Bestaka ny vary simban’ny rano, ary hihena ny voka-bary » hoy i Hery, manam-pahaizana mikasika ny fambolena sy ny fiompiana.
Mila fanampiana ireto tantsaha ireto. Inona no vahaolana ho azy ?
Nicole Rafalimananjara
