ActualitésTsidika

Avaradrano : Efa miverina ny fampianarana

Efa niverina an-tsekoly avokoa ny mpianatra rehetra teto amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Avaradrano nanomboka ny 23 febroary teo. Tsara hatrany anefa ny mitandrina mandritra izany.

« Ilaina foana ny manaraka hatrany ny vaovao mikasika ny toetr’andro mba hisy hiomanana. Samia mailo noho ny haratsian’ny toetr’andro » hoy i Haga, mpampianatra. « Hiatrika ny programa mikasika ny andro natokana ho an’ny sekoly isika izao (journées des écoles). Ny tompon’andraikitra isan-tsekoly no mamolavola sy mametraka izany hatramin’ny 25 febroary. Tsy misy ny lohahevitra manokana avy amin’ny Ministera » hoy ny lehiben’ny Cisco ao Avaradrano.

Fotoana fiatohan’ny fampianarana matetika ny vanim-potoanan’ny rivo-doza tahaka izao.  Tsara foana anefa ny mampianatra sy manara-maso ny fianaran’ny zaza any an-trano ho an’ny ray aman-dreny rehetra. Tsy natao ho an’ny mpampianatra sy ny sekoly irery ny fanabeazana, miainga ao an-trano indrindra indrina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire