ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Miantso ireo tanora mpilatsaka antsitra-po ny fikambanana Ank’Izy

Manampy betsaka amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana ny fisian’ny fikambanan’ny mpirotsaka antsitrapo toy ny fikambanana Ank’Izy. Miantso ireo tanora ao Sabotsy Namehana hanatevin-daharana azy ireo ny fikambanana ankehitriny.

« Miantso ny tanora te hirotsaka antsitrapo hampianatra ny ankizy eny amin’ny EPP Sabotsy Namehana izahay. Tanora mipetraka eo amin’ny manodidina mazava ho azy ary tia ankizy » hoy i Irrah Stephano, lehiben’ny tarika Sabotsy Namehana. « Misokatra amin’ny rehetra ny fiaraha-miasa ho an’ny ankizy amin’ny lafin’ny rehetra. Tanjona ny hanampiana ireo ankizy indrindra ny ankizy sahirana tsy afaka misitraka ny zony feno » hoy i Dimby, filoha mpanorina ny fikambanana. « Tena mila ny fifanohanana avy amintsika tokoa ny ankizy. Mila fanarenana avy amintsika tanora ihany koa ny fanabeazana ny zandrintsika » hoy i Miranto, mpirotsaka antsitra-po. Mifarana ny 14 janoary izao ny fandraisana izany mpirotsaka antsitra-po ho an’ny fanabeazana ao Sabotsy Namehana izany.

Tsara tokoa ny fanatevenan-daharana ny fikambanana tahaka izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire