Bealanana: Zazavavy 15 voaolana
20 oktobra; voasambotra ilay rangahy nanolana ny zanany vavy 15 taona tao Bendrarezona Bealanana. Tamin’ny fotoana tsy naha-teo ny reniny no nanamparan’ity raim-pianakaviana ity ny filan-dratsiny. Notantarain’ity zanany an-dreniny izany. Nitory avy hatrany ny reniny rehefa nahafantatra ny zava-niseho. Nosamborina ilay rangahy tao aorinan’izay ary niaiky ny heloka vitany izy. Efa natolotra ny fitsarana ny raharaha.
