Famatsiana : Tsy misy fiantraikany amin’ny famatsiana ny vahoaka ny fitokonan’ny mpamily fiara lehibe
Dépêche 17 janvier, 10h, Raha tsiahivina dia nanomboka ny herinandro lasa teo no efa nanomboka nitokona ny mpamily fiara vaventy eny amin’ny RN2. Mbola mitohy izany amin’izao fotoana izao izay mitaky ny fanamboarana iny lalam-pirenena iny noho ireo loza sy fahasimbana maro aterany. Manoloana izany anefa dia nanome toky ny Talen’ny varotra anatiny fa tsy misy atahorana ny famatsiana entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Etsy ankilany kosa anefa dia mety hisy fiantraikany amin’nyn vidin’entana izany. Izany indrindra no ilaina ny fanamboarana sy ny fandefasana vola ho amin’io foto-drafitr’asa izay efa ela no tokony navaozina io.
