ActualitésTatitra

Irak : Mila ny fanampian’ny tafika amerikanina ny firenena

Nihaiky ny  praiminisitr’Irak, Mohamed Chia al-Soudani nandritra ny resaka nataony tamin’ny mpanao gazety tao an-toerana ny alahady teo fa mbola mila fotoana izy ireo hanongorana ny vondrona islamika. Nanamafy izy fa mila ny fanampian’ny tafika avy any ivelany izy ireo, indrindra ny tafika amerikanina.

Ho an’i Mohamed Chia al-Soudani dia niditra ao amin’ny tafiditra ao amin’ny firenena ny loza tamin’ny alalan’ny fidiran’ny vondrona islamika avy ao Syrie tao an-toerana. Nanisy resaka tamin’ny fifandraisan’i Iran sy Irak ary Etats-Unis ihany koa io tomon’andraikitra io. Sarotra, hoy izy, ny hitohizan’ny fifandraisana tsara amin’i Iran sy Etats-Unis miaraka manoloana ny fifandirana eo amin’ny roa tonta.

Laisser un commentaire