ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mbola maro ireo toerana ahitana fako mivangongo

Vao herinandro teo izao no nanatanteraka asa fanadiovana sy fandraofana ireo fako mivangongo tao an-toerana ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Mbola maro anefa ireo fako miparitaka eny anivon’ireo fokontany hafa ao anatin’ny kaominina izay mila fandraisana andraikitra, araka ny voalaza.

« Efa ela izao no tsy nisy nijery sy nandroaka ny fako teto amin’ity toerana ity. Anisan’ny manampy trotraka amin’ny fiangonan’ny fako tahak’izao ny tsy fahampian’ireo toerana fanarina fako ety an-toerana » hoy i Lolona, mponina ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba.

« Tsy tokony hiandriandry ireo tompon’andraikitra amin’ny fanalana ireo fako mivangongo isam-pokontany. Sady miparitaka ary mampitombo ny olana, ohatra ny fahavakisan’ny daban-jaoridira, ny fofona ratsy, ny rano miandrona, ny tsy fanalana ireo fako ara-potoana » hoy i Menja, mpivarotra.

Olana mahatonga ny fivangoan’ny fako sy ny fofona ratsy ny fotoam-pahavaratra tahaka izao. Ilaina ny fiaraha-mientan’ny tsirairay ao anatin’izay mba hisorohana ireo aretina vokatry ny fiparitahan’ny fako.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire