Fanatanjahantena : Hihazo an’ny Serbie ny alatsinainy izao ny Ankoay U19
Vonona ny ekipan’ny Ankoay U19. Hihazo an’ny Serbie ho amin’ny fanomanan-tena izy ireo ny alatsinainy izao mialohan’ny hihazoan’ny an’ny Hongrie. Any Hongrie mantsy no hanatanterahana ny lalao iraisam-pirenena ho amin’ny Basket latsaky ny 19 taona ny 23 jona izao hatramin’ny 2 jolay. Efa vonona ny Ankoay na izany aza dia tsy maintsy manamafy ny ezaka hatrany.
“Ao anatin’izany fanamfisana ny ezaka izany indrindra no hisidinana ho any Serbie ny alatsinainy izao. Mbola anatin’ny fanomanan-tena avokoa izany rehetra izany. Lalao ara-pirahalahiana miisa 4 no ao anatin’ny programa amin’izao alohan’ny mondiale izao”, hoy i Jimmy Randriamandimby, mpandrindra ny ekipam-pirenena.
Miisa 11 ny mpilalao efa eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao izay ao anatin’ny fampivondronana. I Thesbon Sydney irery ihany no mbola tsy ao anatin’ny vondrona ankehitriny.
« Matoky ireo ekipa ireo. Na any an-trano aza ireo dia efa hita fa hahazo vokatra tsara raha ny fahavononany no lazaina. Isika ihany koa azo alzaina ho manam-batana ihany. Izaho ihany koa mahatoky satria efa hita hatramin’izay ny performance hananan’izy ireo », hoy ny solontenan’ireo Ray aman-dRenin’ny Ankoay U19.
Manana solontena indray i Madagasikara amin’ity lalao iraisam-pirenena ity. Voninahitra izany ary tsy hampitsanga-menatra. Alefa Ankoay
Miora Raharisolo
