ActualitésTsidika

Ambatomanga : Nohavaozina ny lapan’ny tanàna, hanomboka tsy ho ela ny fanamboaran-dalana

Efa mandeha ankehitriny ny asa fanatsarana ny lapan’ny tanàna ao Ambatomanga mba hisian’ny fiovana sy hirosoana hatrany any amin’ny fandrosoana. Mitohy miandalana ny fanatsarana rehetra manerana ny kaominina mba tsy hitsanga-menatra izy ireo.

« Efa mandeha ny fanaovaozana ny tranon’ny kaominina ankehitriny ary efa handeha ihany koa ny fanamboaran-dalana aoriana kely ao mba entina hampandrosoana hatrany ny kaominina antsika » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Kaominina Ambatomanga. « Sarotra ny mitondra firenena ary mila teny fankaherezana sy fanohanana avy amintsika vahoaka ireny mpitondra ireny mba tsy hahatsiaro tena ho irery eo amin’ny fampandrosoana ny tanànantsika ihay, tokana ny tanjona iombonana dia ny fandrosoana » hoy i Lanto, mpahay fiarahamonina.

« Isan’ny laharampahamehana ho anay vahoaka aty an-toerana mihitsy ny fahatsaran’ny lalana izay tokony ho tena laharam-pahamehana ho an’ny mpitondra eto an-toerana” hoy i Felana, mponina ao Ambatomanga. Tsara tokoa raha mahay mametraka ny laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka ny mpitondra izay tsy aiza avy amin’ny fihainoana ny hetahetany ihany no hahafantarana ny laharam-pahamehana. Mifameno ny roa tonta ka tokony hahay hiara-hiasa tsara.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire