ActualitésTsidika

Manandriana : Efa manana ny ekipany hitondra avo ny anaran’ny Kaominina

Efa manomboka ny fifaninana baolina kitra ao amin’ny Distrika Avaradrano, saika manana ny ekipany avokoa ny kaominina 12 mandrafitra ny Distrika ka tsy latsa-danja amin’izany ny kaominina Masindray.

Vonona hiatrika ny lalao hihaonan’ny kaominina rehetra ao amin’ny Distrika i Manandriana mba tsy hampitsanga-menatra azy ireo. « Manohana hatrany sy mankahery ny ekipan’ny Kaominina izahay fa sady rehareha ianareo no voninahitra hitondra avo ny kaominintsika » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny tanànan’i Manandriana. « Efa niomana, ary vonona hatrany, ny hitondra ny anaran’ny Kaominina Manandriana, saingy hery lehibe hiatrehanay ny lalao ny firaisan-kinan’ny mponina manoloana ny fanohanana anay » hoy ny mpanazatra ny ekipa. « Tsara ny fanomezana sehatra ny tanora amin’ny fanatanjahan-tena mba tsy hironan’izy ireo amin’ny fidoroana zava-mahadomelina ka hifantoka any amin’ny fandrosoana, fomba iray entina hampivelarana ny tanora tokoa ny baolina kitra, firifiry izao ny mpilalao mivelona fotsiny amin’io sehatra io satria efa lasa lavitra » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena.

Miainga amin’ny tsirairay tokoa ny fandrosoana, ary fomba iray entina mampandroso ny tena ny fanatanjahan-tena saingy mila tiana aloha ilay izy vao atao. Mahalasa lavitra ny fanaovana fanatanjahan-tena izay afaka manao azy avokoa ny olon-drehetra saingy mila fikirizana sy finiavana tahaka ny zava-drehetra ihany izy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire