Mayotte : Mikatona amin’ny alina ny toeram-pitsaboana vonjimaika ao amin’ny Dispensaire Kahani
Nanapa-kevitra ny hanakatona ny toeram-pitsaboany vonjimaika (urgence) amin’ny alina ny CHM. Manomboka amin’ny 7 pra hariva dia mikatona ny « urgence » ary tsy misokatra izany raha tsy ny ampitso amin’ny 7 ora maraina indray. Marihana fa efa nihatra nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo izany fanampahan-kevitra izany ary aharitra hatramin’ny 16 jolay 2023.
Etsy ankilany kosa dia misokatra isan’andro « centre de consultation » Jacaranda manomboka amin’ny 7 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva ary miasa ny faran’ny herinandro sy ny andro tsy fiasana. Nilaza kosa ny CHM fa izay mila fitsaboana mandritra io ora fikatonana io dia afaka manantona ireo tobim-pahasalamana manodidina.
Raha tsiahivina kosa dia ny tsy fahampian’ny mpiasa no anton’io fanampahan-kevitra io.
