ActualitésTsidika

Fanampiana ara-bola: 492 tapitrisa euros, hanohanana ireo asa laharam-pahamehana

Vola mitentina 492 tapitrisa euros no natolotry ny Vondrona Eropenina an’ny Madagasikara. Hanatanterahana ireo asa rehetra mbola tsy vita kanefa tokony ho laharam-pahamehana izany vola izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fampandrosoana eny amin’ny tontolo ambany vohitra, ny foto-drafitr’asa isan-karazany ary tafiditra ao anatin’zany ihany koa ny fitantanana. Hotohizana hatramin’ny 2025 araka izany  ny fampiasana io lelavola io izay tokony efa nifarana ny taona 2020 teo.

“Notanterahina ny tomban’ny asa vita ka tsy maintsy nisy ny fanitsiana natao. Nisy ihany koa ny fanamafisana sy fanovana ny paik’ady nampiasana ny vola hahafahana mahazo vokany tsara kokoa. Araka izany dia mbola mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny vondrona Eropeanina”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny toekarena.

“Niampy 8 tapitrisa euros ireo vola ireo ho fanohanana ny fiarahamonim-pirenena, 4 tapitrisa euros ho fanamafisana ny rafitra nasionaly manam-pahefana, ary 2 tapitrisa euros ho an’ny fanamorana ny fiaraha-miasa ara-teknika izay ahafahana manao fanadihadiana”, hoy hatrany fanazavana.

Mila mihetsika ny tsirairay. Samy mizaka ny vokatr’izany vola rehetra na ny olona amin’izao na ireo mbola ho avy. Marihina aloha fa amin’ireto telo ireto no tena hiasan’io vola io betsaka indrindra. Fitantanana sy fanamafisana ny politikam-panjakana, mitentina 142 tapitrisa euros, fotodrafitrasa ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena, manodidina ny 204 tapitrisa euros ary ny sehatry ny fampandrosoana ambanivohitra, manodidina ny 132 tapitrisa euros.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire